04.03.07
AHOANA TOKOA MOA RAHA .......
Nanonofy ,hono , za hoe : nisy loza voan-janahary iray niseho sy nitranga teto amin' ity tany iainantsika ity .Toy izao ary ilay nofy :
Nandinika ny fiainan-draolombelona ,hono ,Andriamanitra dia sady nalahelo n o tezitra satria efa manomboka mitombo faharatsiana sy fahalotoana ny fon-draolombelona .
Nanome taona vitsivitsy anefa Andriamanitra mba hieritreretan-draolombelona izay alahelon'Andriamanitra izany ka nandefa fahatsarana sy fahasoavana ary fitiavana tety an-tany izy mba hamporisika ny olombelona hanao zavatra tsara sy mahasoa ,nefa vao maika nitombo izany faharatsiana tao amin-draiolombelona izany .
Mbola niala nenina farany ihany anefa Andriamanitra ka nandrotsaka fahatsaram-panahy sy fahendrena ho an-draolombelona ,saingy indrisy fa tsy nisy nanohina izany fanomezana nomeny izany .
Nanokana andro iray ary Andriamanitra hampisehoany amin-draolombelona fa izy ary izy irery ihany no afaka manapaka sy manjaka ary mandidy sy manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao .
Nandefasan'Andriamanitra oran-be mivatravatra narahin-kotro-baratra sy tselatra tsy nijanona nandritra ny indray andro teto an-tany .
Nony tena ambivitra anefa ny loza dia nahay nifanaran-tsaina ihany raolombelona .
Nahay nampiasa ilay fitiavana nomen'Andriamanitra azy ihany raolombelona .
Nanana fahendrena tampoka teo raolombelona .
Nahay nifanampy sy nifamonjy ihany raolombelona .
Tsy nampiasaina ilay basy sy tafondro natao hifamonoana sy hifandatsa-drà intsony raolombelona .
Nanjary niray saina ny tsy mitovy volon-koditra .
Nanjary nifanaja sy nifanaraka raolombelona .
Niova raolombelona .
Andriamanitra anefa tsy fo-vato ka hanome fahoriana sy fijaliana an-draolombelona fa manana fihantrana izy ary manana famindram-po .
Sangy mahery ity fiainana ianinatsika ity ary fandalovana tanteraka eto an-tany koa enga anie ho nofy ihany izany ,fa isika olombelona dia hifankatia lalandava mandram-pialantsika eto an-tany .