« Mialoha | Manaraka»

28.07.07

AHOANA NY HO FIHETSIKAO RAHA TOA KA ......

Posted in RAHA TOA KA ... | 18:23

Tsy ho tononiko avy hatrany eto ny anaran'ity mpanjaka sy filohan'ny fanjakana iray ity, izay nalaza tamin'ny fotoana nitondrany ny taniny .Mahay mandahan-teny tokoa ity mpanjaka ity ary mahay mandresy lahatra sy manome hevitra ny vahoakany .Tsy nisy nahomby azy tamin'izany ,hoy ireo vahoakany .

Hoy ihany ireo vahoakany nanohy sy nilaza  momba  azy :  " nitondra kotroka sy tselatra tao amin'ny lelany izy " .Fa ny tena nampiavaka azy sy ny nampandrosoiny ny fanjakany dia ny hamoram-panahiny . Tsy mba malaky tezitra izy ,ary misaintsaina lalina vao manao zavatra .

Indray andro izay  dia nisy olona sahisahy sy tsy tia azy ,ka nanevateva azy .Hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nanozona sy naniratsira ary nanaratsy ny mpanjaka ity olona tsy tia azy ity.

Teo anatrehany no nataony sy nolazainy ny ozona sy faniratsiràna ary fanaratsiana ,nefa ny mpanjaka tsy namaly azy na dia kely aza , fa ny asany no nataony tsara .Teny am-podiana ho an-tranony ny mpanjaka dia mbola narahin'ilay olona nanevateva sy naniratsira ary nanaratsy sy nanozona foana ,sady niantsoantso no nanala baràka ny mpanjaka izy amin'izany .

Nony alina ny andro dia nasain'ny mpanjaka nody ilay olona tsy tia azy sy nanala baràka azy ary naniratsira sy nanaràtsy azy ary nandidy ny mpanompony ny mpanjaka mba hitondra fanilo hitsilo ny làlany ka hitondra azy hody any an-tranony . 

Ho vitanao ve izany toetra vitsy mpanana nasehon'ity mpanjaka  ity izany ???.Ho zakanao ve izany hoe : halàna baràka sy haratsiana izany ???.Ho tantin'ny eritreritrao ve ny hozonina sy tsiratsiraina eo anatrehan'ny olona izany ??.

Tsy mahagaga raha nanjàka sy nitondra ny fanjakana Anteniana nandritra ny efa-polo taona izy .Vitsy ny mpanjaka hanana toetra sy fomba ary fo toa an'i PERICLES .

Sangy mahery ny fiainana ka saino am-pitoniana ny tokony atao . 

0 Hevitra | "AHOANA NY HO FIHETSIKAO RAHA TOA KA ......" »

Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article