20.02.07
NA DIA TSY MITENY AZA IZY IREO .......... DIA HAJAO
Mifafy malefaka eny amin'ny tava ny rivotra alefan'ny zava-boary ,izay mitondra hanitra mamerovero manome fahatoniana sy filaminana lalim-paka any anaty .
Mikoriana moramora ny rano mangalahala sy mangatsiaka avy any an-dohasaha izay manavatsava ny elakela-bato sy ny tatatra vita nanahary ,tomorin'ny fototr'apanga sy ny lomotra maintso antitra izay manome endrika ny làlana izorany ,mbola lavitra dia lavitra .
Miriaria ao anaty zava-boary ny zava-manan'aina izay manome endrika sy hatsarana eo anivon'ny natiora , ary manambara fa miray aina izy ireo .
Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana ny voninahiny sy ny hajany izay tsy misy sy tsy hananan'ny zanak'olombelona na oviana na oviana , ka dia hajao .
Nanaovan-draolombelona ankasomparana anefa izy ireo .Nanamparan-draolombelona ny fahaizany sy ny fahalalany ary ny fitaovany ari-fomba sy matanjaka ny fisian'izy ireo .Tsy nananan-draolombelona antra ny fiainan'izy ireo noho ny herin'ny vola .Nodian-draolombelona tsy hita ny hasarobiny sy ny hasoan'izy ireo .
Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana ny voninahiny sy ny hajany izay tsy misy sy tsy hananan'ny zanak'olombelona na oviana na oviana , ka dia hajao .
Niraraka ny avandra ary nikija ny oram-be mivatra arahana kotro-baratra mirefotra ka nahatonga tondra-drano .Nitsoka ny rivo-doza mahery vaika ka nandrava tanteraka izay nolalovany .Tsy namela mahazo koa ny tadio ,fa nampitondra faisana izay nalehany .Nitranga ny horohoron-tany ka namela takaitra ny endriky ny tontolo .Nipoaka ny volokano ary nandoro izay nodiaviny .Niakatra ny valala fa tsy afa-miaina intsony .Nirongatra ny voalavo avy any an-tsaha noho ny tsy fisian'ny sakafo ho haniny .
Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana hery sy tanjaka mahery vaika lavitra noho ny an-draolombelona ,ka dia hajao .
Miseho lany ny aretina sy ny tsy fahasalamana .Aiza no mila fanafody sy fanasitranana raolombelona ???..............................................................
Sendra adin-tsaina ka mila hamoy fo . Aiza no mila fandinihan-tena lalina raolombelona ??? .................................................................................
Tojo fahoriana tsy zaka lanjaina .Iza no mampionona tanteraka an-draolombelona ??? ...........................................................................
Tratra ny fahatezerana sy fahasorenana .Aiza no mitady fahatoniana raolombelona ??? .................................................................................
Mamisavisa ny lasany sy ny ho aviny raolombelona .Aiza no toerana hieritreretany izany ??? ..........................................................................
Na dia tsy miteny aza izy ireo dia tsarovy fa tsy manary sy tsy mandao ary tsy manadino an-draolombelona , ka dia hajao .
Sangy mahery ny fiainana ,ka tsara raha mifanampy sy mifanavotra eto amin'ity fiainana mandalo ity satria izay no lalànan'ny natiora izay napetrak'ilay Mpamorona izao tontolo izao .