17.04.08

NY ANDRO NAHATERAHAKO..........

Posted in SANGY MAHERY | 08:11

Inona no eritreritra tena misongadina ao an-tsainareo rehefa tonga ny andro sy fotoana nahaterahanareo ?.

Na koa hoe : milaza inona amin'ny fiainanareo io andro sy fotoana nahaterahana io ?.

 

Ny antony nametrahako ireo fanontaniana ireo mantsy dia satria : isan-taona no itsingerenan'ny andro sy fotoana nahaterahana  ,ary tsy hitovy foana ny eritreritra eo am-pandalovana azy satria misy tanjona sy vinavina ary faniriana ao na dia tsy ho tanteraka vetivety aza .

Isaky ny tonga io fotoana io dia ny ao an-tsaiko voalohany aloha dia hoe : miha-manantona mihamanatona ny fahanterana . Tsy manakivy ahy akory ny fieritreretako izany ,fa vao maika manome hery ahy hoe :tokony hisy zavatra apetrako ,tokony hamela lova sy fahatsiarovana tsara sy mamy ho an'ny rehetra ahafantaran'ireo ,fa nisy ilay olona .

Ataoko fa mitovy eritreritra amiko daholo ianareo amin'izay ,saingy mba tiako ho maharitra sy mitoetra foana izany fahatsiarovana ny andro nahaterahana izany eo amin'ny fiainan'olombelona tsirairay , fa mametraka tsiaro sy eritreritra ary nofy ho an'ny mahatsiaro azy .

 

Sangy mahery ny fiainana ,fa tsy mamela anao hijanona ,fa mandroso ihany  ,ka noho izany dia  ametraho marika ny toerana nodiavinao sy nolalovanao ahatsiarovana ,fa nisy olona nandalo teto .

 

bilakarenjy  

http://forum.serasera.org/forum/message/m462761e97b8b5

23.12.07

BILAKARENJY .

Posted in SANGY MAHERY | 15:18

                                                 BILAKARENJY

       Ny hevitra fonosin'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io dia :

 1*- Natao ho anarana izy aloha voalohany .
 2*- Misy teny roa mitambatra ao dia BILA sy KARENJY .


       Ireo teny roa ireo koa anefa mbola misy hevitra fonosiny , fa tsy araka ny eritreretinareo .

       Hazo iray maniry no nakako ny tena hevitr'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io .

       Tsy maintsy misy sampana daholo ny hazo rehetra ary io sampana io ilay hoe : BILA ,izay     mamorona làlana hafa indray ary mitohy hatrany tsy misy fahatamperany .

       Ilay mitohy hatrany indray no KARENJY .

       Dia ireo foto-kevitra roa ireo no natambatra ary namorona ilay solon'anarana hoe : BILAKARENJY .
      
       Zany hoe : mivily sy miàla ,na sampana ao anatin'ny fototra iray dia mamorona làlana sy fiainana ary endrika vaovao iray hafa ,dia mitohy mivoatra hatrany hatrany .

 

 Na jereo koa ato amin'ity  http://bilakarenjy.multiply.com/  raha afaka manome hevitra ianareo .Dia misaotra mialoha re !

 

                     

        

28.07.07

AHOANA NY HO FIHETSIKAO RAHA TOA KA ......

Posted in RAHA TOA KA ... | 18:23

Tsy ho tononiko avy hatrany eto ny anaran'ity mpanjaka sy filohan'ny fanjakana iray ity, izay nalaza tamin'ny fotoana nitondrany ny taniny .Mahay mandahan-teny tokoa ity mpanjaka ity ary mahay mandresy lahatra sy manome hevitra ny vahoakany .Tsy nisy nahomby azy tamin'izany ,hoy ireo vahoakany .

Hoy ihany ireo vahoakany nanohy sy nilaza  momba  azy :  " nitondra kotroka sy tselatra tao amin'ny lelany izy " .Fa ny tena nampiavaka azy sy ny nampandrosoiny ny fanjakany dia ny hamoram-panahiny . Tsy mba malaky tezitra izy ,ary misaintsaina lalina vao manao zavatra .

Indray andro izay  dia nisy olona sahisahy sy tsy tia azy ,ka nanevateva azy .Hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nanozona sy naniratsira ary nanaratsy ny mpanjaka ity olona tsy tia azy ity.

Teo anatrehany no nataony sy nolazainy ny ozona sy faniratsiràna ary fanaratsiana ,nefa ny mpanjaka tsy namaly azy na dia kely aza , fa ny asany no nataony tsara .Teny am-podiana ho an-tranony ny mpanjaka dia mbola narahin'ilay olona nanevateva sy naniratsira ary nanaratsy sy nanozona foana ,sady niantsoantso no nanala baràka ny mpanjaka izy amin'izany .

Nony alina ny andro dia nasain'ny mpanjaka nody ilay olona tsy tia azy sy nanala baràka azy ary naniratsira sy nanaràtsy azy ary nandidy ny mpanompony ny mpanjaka mba hitondra fanilo hitsilo ny làlany ka hitondra azy hody any an-tranony . 

Ho vitanao ve izany toetra vitsy mpanana nasehon'ity mpanjaka  ity izany ???.Ho zakanao ve izany hoe : halàna baràka sy haratsiana izany ???.Ho tantin'ny eritreritrao ve ny hozonina sy tsiratsiraina eo anatrehan'ny olona izany ??.

Tsy mahagaga raha nanjàka sy nitondra ny fanjakana Anteniana nandritra ny efa-polo taona izy .Vitsy ny mpanjaka hanana toetra sy fomba ary fo toa an'i PERICLES .

Sangy mahery ny fiainana ka saino am-pitoniana ny tokony atao . 

28.07.07

RAHA TOA KA .....

Posted in RAHA TOA KA ... | 13:40

Asa raha fantatrao sy tadidinao ,fa nisy tendrombohitra roa ambinin'ny folo nanana ny hasiny sy ny lazany ary ny voninahiny teo amin'ny malagasy.

Indro atolotro anao eto ny anaran'ireo tendrombohitra roa ambinin'ny folo ireo  :

  1. ALASORA
  2. AMBOHITRABIBY
  3. ANTANANARIVO
  4. AMBOHIDRATRIMO
  5. AMBOHIMANGA
  6. ILAFY
  7. NAMEHANA
  8. AMBOHITRAINA
  9. AMPANDRANA
  10. IMERIKANJAKA
  11. ANTSAHADINTA
  12. HIARANANDRIANA .

 

Alaivo sary an-tsaina ny endrik'ireo tendrombohitra roa ambinin'ny folo ireo tamin'izany fotoan'andro izany .

Nalaina tao @ Boky Gazety "Ny Sakaizan'ny Tanora" laharana faha-01094 / Volana Febroary /Taona 1981 . 

 

04.03.07

TANY FANDALOVANA

Posted in Ankapobeny | 10:05

Rahoviana no hangina ny tomany eto an-tany
Ary koa ny lolom-po ,setrasetra tsisy fetra
Olon'ory ,tsy matory ,maminany 'zay hombàny
Betsaka no reraka ,mipararetra  sy mitsetra
Eto an-tany fandalovana no misy an'izany
Lafin-javatra toa tsy nahy dia manjary mampitroatra
Izao anefa no lazaiko ,ka tohizo hatrany hatrany
Saina matotra no ilaina sy fanahy tsara voatra
Ovay malaky ny endrikao ,mba hitondra fitsikiana ,fa
Na dia antitra aza ianao ,ny kalokalo aza ariana .



          RAOBELISON Andriamampionona Armand
                 +261 32 04 266 81 -  +261 33 14 912 98

 (tohiny)

04.03.07

AHOANA TOKOA MOA RAHA .......

Posted in Ankapobeny | 09:17

Nanonofy ,hono , za hoe : nisy loza voan-janahary iray niseho sy nitranga teto amin' ity tany iainantsika ity .Toy izao ary ilay nofy :

Nandinika ny fiainan-draolombelona ,hono ,Andriamanitra dia sady nalahelo n o tezitra satria efa manomboka mitombo faharatsiana sy fahalotoana ny fon-draolombelona .

Nanome taona vitsivitsy anefa Andriamanitra mba hieritreretan-draolombelona izay alahelon'Andriamanitra izany ka nandefa fahatsarana sy fahasoavana ary fitiavana tety an-tany izy mba hamporisika ny olombelona hanao zavatra tsara sy mahasoa ,nefa vao maika nitombo izany faharatsiana tao amin-draiolombelona izany .

Mbola niala nenina farany ihany anefa Andriamanitra ka nandrotsaka fahatsaram-panahy sy fahendrena  ho an-draolombelona ,saingy indrisy fa tsy nisy nanohina izany fanomezana nomeny izany .

Nanokana andro iray ary Andriamanitra hampisehoany amin-draolombelona fa izy ary izy irery ihany no afaka manapaka sy manjaka ary mandidy  sy manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao .

Nandefasan'Andriamanitra oran-be mivatravatra narahin-kotro-baratra sy tselatra tsy nijanona nandritra ny indray andro teto an-tany .

Nony tena ambivitra anefa ny loza dia nahay nifanaran-tsaina ihany raolombelona .
Nahay nampiasa ilay fitiavana nomen'Andriamanitra azy ihany raolombelona .
Nanana fahendrena tampoka teo raolombelona .
Nahay nifanampy sy  nifamonjy ihany raolombelona .
Tsy nampiasaina ilay basy sy tafondro natao hifamonoana sy hifandatsa-drà intsony raolombelona .
Nanjary niray saina ny tsy mitovy volon-koditra .
Nanjary nifanaja sy nifanaraka raolombelona .
Niova raolombelona .

Andriamanitra anefa tsy fo-vato ka hanome fahoriana sy fijaliana an-draolombelona fa manana fihantrana izy ary manana famindram-po .

Sangy mahery ity fiainana ianinatsika ity ary fandalovana tanteraka eto an-tany koa enga anie ho nofy ihany izany ,fa isika olombelona dia hifankatia lalandava mandram-pialantsika eto an-tany .

 (tohiny)

20.02.07

NA DIA TSY MITENY AZA IZY IREO .......... DIA HAJAO

Posted in Ankapobeny | 14:20

Mifafy malefaka eny amin'ny tava ny rivotra alefan'ny zava-boary ,izay mitondra hanitra mamerovero manome fahatoniana sy filaminana lalim-paka any anaty .
Mikoriana moramora ny rano mangalahala sy mangatsiaka avy any an-dohasaha izay manavatsava ny elakela-bato sy ny tatatra vita nanahary ,tomorin'ny fototr'apanga sy ny lomotra maintso antitra izay manome endrika ny làlana izorany ,mbola lavitra dia lavitra .
Miriaria ao anaty zava-boary ny zava-manan'aina izay manome endrika sy hatsarana eo anivon'ny natiora , ary manambara fa miray aina izy ireo .

          Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana ny voninahiny sy ny hajany izay tsy misy sy tsy hananan'ny zanak'olombelona na oviana na oviana  , ka dia hajao .




Nanaovan-draolombelona ankasomparana anefa izy ireo .Nanamparan-draolombelona ny fahaizany sy ny fahalalany ary ny fitaovany ari-fomba sy matanjaka ny fisian'izy ireo .Tsy nananan-draolombelona antra ny fiainan'izy ireo noho ny herin'ny vola .Nodian-draolombelona tsy hita ny hasarobiny sy ny hasoan'izy ireo .

          Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana ny voninahiny sy ny hajany izay tsy misy sy tsy hananan'ny zanak'olombelona  na oviana na oviana , ka dia hajao .




Niraraka ny avandra ary nikija ny oram-be mivatra arahana kotro-baratra mirefotra ka nahatonga tondra-drano .Nitsoka ny rivo-doza mahery vaika ka nandrava tanteraka izay nolalovany .Tsy namela mahazo koa ny tadio ,fa nampitondra faisana izay nalehany .Nitranga ny horohoron-tany ka namela takaitra ny endriky ny tontolo .Nipoaka ny volokano ary nandoro izay nodiaviny .Niakatra ny valala fa tsy afa-miaina intsony .Nirongatra ny voalavo avy any an-tsaha noho ny tsy fisian'ny sakafo ho haniny .

          Na dia tsy miteny aza izy ireo dia manana hery sy tanjaka mahery vaika lavitra noho ny an-draolombelona ,ka dia hajao .



Miseho lany ny aretina sy ny tsy fahasalamana  .Aiza no mila fanafody sy fanasitranana raolombelona ???..............................................................
Sendra adin-tsaina ka mila hamoy fo . Aiza no mila fandinihan-tena lalina raolombelona ??? .................................................................................
Tojo fahoriana tsy zaka lanjaina .Iza no mampionona tanteraka an-draolombelona ??? ...........................................................................
Tratra ny fahatezerana sy fahasorenana .Aiza no mitady fahatoniana raolombelona ??? .................................................................................
Mamisavisa ny lasany sy ny ho aviny raolombelona .Aiza no toerana hieritreretany izany ??? ..........................................................................

          Na dia tsy miteny aza izy ireo dia tsarovy fa tsy manary sy tsy mandao  ary tsy manadino an-draolombelona , ka dia hajao .




          Sangy mahery ny fiainana ,ka tsara raha mifanampy sy mifanavotra eto amin'ity fiainana mandalo ity satria izay no lalànan'ny natiora izay napetrak'ilay Mpamorona izao tontolo izao .

 (tohiny)

19.02.07

TOJO AZY AHO .

Posted in Ankapobeny | 10:19

Tsy ilay fitiavana tao anatiny no tena nanova endrika ilay teny nentiny nandresy lahatra azy ,fa ny fitopin'ny masony izay nanome hery azy ,hampisongadina ny tena faniriany sy filany ilay atao hoe : izy tia .

Tsy nahatsikaritra izany anefa izy na dia hita aza ,fa tsy fiteny mahazatra intsony no reny amin'ilay olona miresaka aminy .

Toro loatra ny fony sy ny fanahiny tamin'ny nanomezany ilay fahatsiarovana tsy hay notenenina sy natolony mba ho marika ,fa nisy izany fotoana nitsingerenan'ny andro nahaterahany izany .

Namisavisa irery ilay atao hoe : fitiavana izy ,naka eritreritra izany hoe :mitia izy , satria tojo ilay tiany sy mamin'ny fony .

 

   bilakarenjy

 (tohiny)

29.01.07

IZAY NO REHAREHAKO

Posted in Ankapobeny | 20:14

Nisy ity sinoa iray izay anisan'ny ianjadian'ny fahoriana sy ny fahasahiranana isan-karazany teo amin'ny fiainany .Tso-piaina sy milamina ary tsy ahitana izany zava-misy izany anefa ny fihetsiny sy endriny ,fa dia tony sy milamina hatrany. 

Efitra tokana no hipetrahany ary tsotra be ny fanaka mandravaka ny ao an-tranony ,mananika ny 80 taona eo ho eo izy ary mbola matanjaka tsara sy mavitrika tanteraka .

Tsy dia manana anton'asa moa izy ,fa dia izay misy mpiantra sy misy mpiantso no andaniany ny tontolo androny .Matetika dia tratran'ny fara-asa foana izy ary mianjady any aminy daholo ny akamaroan'ireo asa tsy vitan'ny olona ,ka lasa izy no tratran'ny fahatezeran'ny mpampiasa .

Tsy manan-kavaly anefa izy ,fa dia miharitra ny teny mahery sy ny latsa ataon'ny mpampiasa eo.

Ny tena mampiavaka sy tsy mampitovy azy amin'ny olona dia manana fomba iray izay tsy azonao vinaniana tokoa eo amin'ny fiainana izy ,izay manome hery azy isan'andro .

Manana  peratra volamena izy izay misy soratra voasikotra hoe :"tsy mampaninona " .Rehefa misy faharesena na fahoriana na fahasahiranana na fijaliana na adin-tsaina  dia io soratra amin'ilay peratra io no vakiany sy tononiny ary mahazo hery izy sady mbola manantena ,fa ahita ny masoandrony ihany .

Toy ny miresaka aminy io peratra io isak'izay misy zava-midona aminy .Io no namany sy mpanoro làlana ary manome fanantenana azy eo amin'ity fiainana ity .

Dia miteny izy fa :

Tsy mampaninona na dia tsy tianao aza aho, fa mbola hisy andro iray hitadiavanao ahy .

Tsy mampaninona na dia tsy raharahianao aza aho ,fa mbola hisy ora hikakeran'ny  fahatsiarovanao ahy .

Tsy mampaninona na dia tsy mahay izay hain'ny olona aza aho ,fa ho tsapanao ihany ny maha izaho ahy .

Ary tsy mampaninona na dia tsy henoinao aza ny teneniko sy lazaiko ,fa ho tsaroanao ihany rehefa tonga amin'ilay itadiavanao ahy rehefa afaka kelikely . 

Tsy mampaninona "..............." anjaranao indray ny manohy ny eritreritrao manokana  .

Sangy mahery ny fiainana ,ka tsy mampaninona na dia mamely mafy aza ,fa manana fanantenana hatrany hanatràrana ny zavatra nokendrena sy tanjona hotratrarina .

Izay ny an'ilay sinoa no reharehany ,fa ny anao kosa ........................
                          

 (tohiny)

26.01.07

TENY INDRAIM-BAVA FOTSINY DIA ............

Posted in Ankapobeny | 08:02

Efa manomboka mody ny masoandro dia mandefa ny tarany farany amin'ity tanana kely milamina sy tony tanteraka izay ahitana trano tokony ho 13 tafo eo ho eo    .  

Samy any an-tokatranony avy ny mpianakavy manao izay handaniany ny alina hiandrasana ny sakafo ho masaka .                                                                

Tamin'izay indrindra no indro nisy aloka iray nipoitra avy ery am-pidirana ny tanana .Vahiny avy lavitra izy izany ,mitaingina soavaly efa reraky ny lalana ka mamindra mora dia mora manantona ny tanana.

Mitady mpampiantrano ity vahiny tratra hariva an-tanin'olona fa mijery izay antra azy na misy manarangarana eny ho eny hitarainana .

Vao niroso kelikely anefa ilay vahiny dia nirohotra ireto alika tao an-tanana sady niovovoa no nanenjika azy .Nikoropaka sy nitrifana ity soavaly ,nefa niezaka ihany ilay mpitaingina nampitony ity soavaliny .Vao maika nirifatra tsy tana anefa ilay soavaly ,ka hany herin'ilay mpitaingina dia niantsoantso hoe : "vonjeo fa romotra ireto alika e! ,vonjeo e!" ,sady lasa nirifatra hatrany ilay soavaly no henjehin'ireto alika mivovoa.

Raha nahare izany ny iray tanana dia nivoaka ary samy nitondra izay fitaovana azo hiadiana sy hiarovana  hanafaizana ireto alika mivovoa .Nanohy ny lalany nivoaka ny tanana anefa ilay soavaly ary tsy nijanona mihintsy ,fa ireto alika kosa no niharan'ny fahatezeran'ny olona tao an-tanana .

Vokany anefa dia :

Teny indraim-bava fotsiny dia nahavotra ilay vahiny sy ny soavaliny tamin'ireto alika .

Teny indraim-bava fotsiny dia namoizana ny ain'ireto alika tao an-tanana .

Teny indraim-bava fotsiny dia nampirongatra ny hadalan'ny mponina ihany koa ary mbola teny indraim-bava fotsiny no nandaozan'ilay vahiny ny tanana .

Noho izany dia :

Fehezo ny teninao hitondra fitiavana ho an'ny rehetra ,ary mbola diniho aloha vao lazao,fa sangy mahery anie ny teny aloakan'ny vavanao e!.



 

 (tohiny)

23.01.07

SALANITRA E!

Posted in Ankapobeny | 20:54

Mbola fanombohana ihany aloha izao fa mety hiova miandalana eny ihany ny zava-misy ,koa dia manantena ny fiarahana aminareo eto amin'ity takelaka ity .

Ho avy tsy ho ela ny masaka ho atolotra eto .

 

 (tohiny)