23.12.07
BILAKARENJY .
BILAKARENJY
Ny hevitra fonosin'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io dia :
1*- Natao ho anarana izy aloha voalohany .
2*- Misy teny roa mitambatra ao dia BILA sy KARENJY .
Ireo teny roa ireo koa anefa mbola misy hevitra fonosiny , fa tsy araka ny eritreretinareo .
Hazo iray maniry no nakako ny tena hevitr'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io .
Tsy maintsy misy sampana daholo ny hazo rehetra ary io sampana io ilay hoe : BILA ,izay mamorona làlana hafa indray ary mitohy hatrany tsy misy fahatamperany .
Ilay mitohy hatrany indray no KARENJY .
Dia ireo foto-kevitra roa ireo no natambatra ary namorona ilay solon'anarana hoe : BILAKARENJY .
Zany hoe : mivily sy miàla ,na sampana ao anatin'ny fototra iray dia mamorona làlana sy fiainana ary endrika vaovao iray hafa ,dia mitohy mivoatra hatrany hatrany .
Na jereo koa ato amin'ity http://bilakarenjy.multiply.com/ raha afaka manome hevitra ianareo .Dia misaotra mialoha re !