« Mialoha |

17.04.08

NY ANDRO NAHATERAHAKO..........

Posted in SANGY MAHERY | 10:11

Inona no eritreritra tena misongadina ao an-tsainareo rehefa tonga ny andro sy fotoana nahaterahanareo ?.

Na koa hoe : milaza inona amin'ny fiainanareo io andro sy fotoana nahaterahana io ?.

 

Ny antony nametrahako ireo fanontaniana ireo mantsy dia satria : isan-taona no itsingerenan'ny andro sy fotoana nahaterahana  ,ary tsy hitovy foana ny eritreritra eo am-pandalovana azy satria misy tanjona sy vinavina ary faniriana ao na dia tsy ho tanteraka vetivety aza .

Isaky ny tonga io fotoana io dia ny ao an-tsaiko voalohany aloha dia hoe : miha-manantona mihamanatona ny fahanterana . Tsy manakivy ahy akory ny fieritreretako izany ,fa vao maika manome hery ahy hoe :tokony hisy zavatra apetrako ,tokony hamela lova sy fahatsiarovana tsara sy mamy ho an'ny rehetra ahafantaran'ireo ,fa nisy ilay olona .

Ataoko fa mitovy eritreritra amiko daholo ianareo amin'izay ,saingy mba tiako ho maharitra sy mitoetra foana izany fahatsiarovana ny andro nahaterahana izany eo amin'ny fiainan'olombelona tsirairay , fa mametraka tsiaro sy eritreritra ary nofy ho an'ny mahatsiaro azy .

 

Sangy mahery ny fiainana ,fa tsy mamela anao hijanona ,fa mandroso ihany  ,ka noho izany dia  ametraho marika ny toerana nodiavinao sy nolalovanao ahatsiarovana ,fa nisy olona nandalo teto .

 

bilakarenjy  

 

16 Hevitra | "NY ANDRO NAHATERAHAKO.........." »

  1. lehilahytsyresy :

    17/04/2008, at 12:44 [ Valio ]

    Marina ny anao ry Bilakarenjy.

  2. news2dago :

    17/04/2008, at 13:07 [ Valio ]

    ny ahy zao indray dia manisa ny volo fotsy no ataoko aloa indrindra! lol
  3. DotMG :

    17/04/2008, at 13:08 [ Valio ]

    Nandalo teto i DotMG tamin'ny anio 17 aprily 2008. Apetraka izao ho marika ahatsiarovana izany fandalovana izany.

    (Lalao aza ampijaliana ny tenintsika: mihamanatona fa tsy miha-manantona.)

  4. ikalamako :

    17/04/2008, at 13:53 [ Valio ]

    "...
    ireny toerana ireny malala ô - oops bilakarenjy ô - lalovy,
    mba tsarotsarovy ireo dina natao - oops ilay daty nahateharanao
    ..."

    :-)

    ingahy DotMG: sao mihantona manko ny sazy

  5. simp :

    17/04/2008, at 14:24 [ Valio ]

    present

  6. simp :

    17/04/2008, at 14:25 [ Valio ]

    Bon annif ra androany le izy an :)

    mirary soa,

  7. bilakarenjy :

    17/04/2008, at 14:27 [ Valio ]

    bilakarenjy

    misaotra antsika rehetra e!

    Mbola tsy androany ka

  8. bilakarenjy :

    17/04/2008, at 14:39 [ Valio ]

    tena nandalo tokoa ianao ry DotMG , fa sady namela hafatra no nanoro sy nanitsy ,fa tena mitaraina ny tenintsika .
  9. pissoa :

    17/04/2008, at 23:14 [ Valio ]

    Izaho rehefa tsingerin-taona dia tsy ny fahanterana no ao an-tsaiko fa ny adidy. Hoy i Neny izay hoe "Ankafizo ny fahazazana fa rehefa manan-tokantrano indry - na ny sira atao amin'ny laoka aza mila eritreretina." Amin'izao taonako izao mantsy toa mbola elaela ny fahanterana lol ... fa ny adidy no hita hoe mitombo andro aman'alina.

  10. bilakarenjy :

    18/04/2008, at 08:53 [ Valio ]

    bilakarenjy

    Ny manao adidy aloha dia mahafinaritra ahy na mitombo aza , fa ny hery hanaovana ilay adidy no manomboka mihena .

    Toy ny volofotsy ihany io e! Efa manomboka manisa ny efa mitsangana .

    Fa na dia izany aza dia hita ihany ny fahaterana eo @ fitombohan'ny taona e!

    ikalamako > hira angaha io .

  11. Lalasoa :

    19/04/2008, at 08:37 [ Valio ]

    Izaho teraka indroa tamin'ny andro nahaterahako!

  12. Lalasoa :

    19/04/2008, at 08:39 [ Valio ]

    Izaho manana andro nahaterahana telo! :-)

  13. bilakarenjy :

    19/04/2008, at 19:04 [ Valio ]

    bilakarenjy

    Lalasoa >Tsy azoko indray iny .Mba azonao hazavaina ve !,fa tiako ho fantatra .

  14. Lalasoa :

    21/04/2008, at 15:22 [ Valio ]

    bilakarenjy> 1/ Ilay teraka voalohany: nateraky ny reny, ilay faharoa nateraky ny vady 2/ ny daty nahaterahana telo indray: ny iray, ilay tena daty nahaterahako, ny faharoa sy fahatelo: ny daty nahaterahan'ny zanako roa satria hono "La vraie fête des mères, c'est l'anniversaire de leurs enfants."
  15. soanja : Ilay andro

    21/04/2008, at 17:04 [ Valio ]

    Ny ahy indray ry Bila dia ny isaky ny miposaka ny masoandro dia isaorako an'Andriamanitra ny ahitako azy.

    Ny Androany dia fahafatesan'ny omaly ary ho tsiahin'ny ampitso. Ny androany no ilay andro goavana.

    Misy aho ary tsapako ny fisiako. Miasa, mandaitra.

    Ifaliako satria mamiko!

    Misaotra an'Atra koa aho, Bila, fa tsapako ny fisianao eto an-tany! Soanja

  16. bilakarenjy :

    21/04/2008, at 20:43 [ Valio ]

    bilakarenjy

    Lalasoa > Iny indray no tsy tao an-tsaiko ,fa dia marina kosa aloha e!.

    soanja >Marina zany ry soanja ,amiko aloha dia tsy mandao ahy sy ianao Andriamanitra .
    Mametraka ny fisiako Izy ary mampiasa ny maha-izaho sy maha-ianao koa .
    Fitiavana Izy e!.