04.03.07
TANY FANDALOVANA
Rahoviana no hangina ny tomany eto an-tany
Ary koa ny lolom-po ,setrasetra tsisy fetra
Olon'ory ,tsy matory ,maminany 'zay hombàny
Betsaka no reraka ,mipararetra sy mitsetra
Eto an-tany fandalovana no misy an'izany
Lafin-javatra toa tsy nahy dia manjary mampitroatra
Izao anefa no lazaiko ,ka tohizo hatrany hatrany
Saina matotra no ilaina sy fanahy tsara voatra
Ovay malaky ny endrikao ,mba hitondra fitsikiana ,fa
Na dia antitra aza ianao ,ny kalokalo aza ariana .
RAOBELISON Andriamampionona Armand
+261 32 04 266 81 - +261 33 14 912 98






Tokinao :
04/03/2007, at 12:10 [ Valio ]
Misaotra รด! laharana finday moa zany ireo tarehi-marika ireo an. sa inona ? :)
bilakarenjy :
04/03/2007, at 12:13 [ Valio ]
salut tokinao
laharana finday tanteraka io ka hahahahahaha ,saingy miantso any an-tanana fa tsy eto .
ikalamako :
04/03/2007, at 13:38 [ Valio ]
ho atao filamatra fa dia misaotra an'i bilakarenjy sy ny talentany e. Mitehaka hatrany ny mpankasitraka!
pissoa :
06/03/2007, at 07:24 [ Valio ]
misaotra o !
bilakarenjy :
07/03/2007, at 19:24 [ Valio ]
ianareo no isaorana sady nitsidika no namela hafatra mamy ary nahazo vatsy koa