29.01.07
IZAY NO REHAREHAKO
Nisy ity sinoa iray izay anisan'ny ianjadian'ny fahoriana sy ny fahasahiranana isan-karazany teo amin'ny fiainany .Tso-piaina sy milamina ary tsy ahitana izany zava-misy izany anefa ny fihetsiny sy endriny ,fa dia tony sy milamina hatrany.
Efitra tokana no hipetrahany ary tsotra be ny fanaka mandravaka ny ao an-tranony ,mananika ny 80 taona eo ho eo izy ary mbola matanjaka tsara sy mavitrika tanteraka .
Tsy dia manana anton'asa moa izy ,fa dia izay misy mpiantra sy misy mpiantso no andaniany ny tontolo androny .Matetika dia tratran'ny fara-asa foana izy ary mianjady any aminy daholo ny akamaroan'ireo asa tsy vitan'ny olona ,ka lasa izy no tratran'ny fahatezeran'ny mpampiasa .
Tsy manan-kavaly anefa izy ,fa dia miharitra ny teny mahery sy ny latsa ataon'ny mpampiasa eo.
Ny tena mampiavaka sy tsy mampitovy azy amin'ny olona dia manana fomba iray izay tsy azonao vinaniana tokoa eo amin'ny fiainana izy ,izay manome hery azy isan'andro .
Manana peratra volamena izy izay misy soratra voasikotra hoe :"tsy mampaninona " .Rehefa misy faharesena na fahoriana na fahasahiranana na fijaliana na adin-tsaina dia io soratra amin'ilay peratra io no vakiany sy tononiny ary mahazo hery izy sady mbola manantena ,fa ahita ny masoandrony ihany .
Toy ny miresaka aminy io peratra io isak'izay misy zava-midona aminy .Io no namany sy mpanoro làlana ary manome fanantenana azy eo amin'ity fiainana ity .
Dia miteny izy fa :
Tsy mampaninona na dia tsy tianao aza aho, fa mbola hisy andro iray hitadiavanao ahy .
Tsy mampaninona na dia tsy raharahianao aza aho ,fa mbola hisy ora hikakeran'ny fahatsiarovanao ahy .
Tsy mampaninona na dia tsy mahay izay hain'ny olona aza aho ,fa ho tsapanao ihany ny maha izaho ahy .
Ary tsy mampaninona na dia tsy henoinao aza ny teneniko sy lazaiko ,fa ho tsaroanao ihany rehefa tonga amin'ilay itadiavanao ahy rehefa afaka kelikely .
Tsy mampaninona "..............." anjaranao indray ny manohy ny eritreritrao manokana .
Sangy mahery ny fiainana ,ka tsy mampaninona na dia mamely mafy aza ,fa manana fanantenana hatrany hanatràrana ny zavatra nokendrena sy tanjona hotratrarina .
Izay ny an'ilay sinoa no reharehany ,fa ny anao kosa ........................






kitjo :
30/01/2007, at 03:48 [ Valio ]
Tsy mampaninona na tara ary aho fa nahafinaritra namaky an' ilay tantara kely hieritreretana ny androany....
na iza na iza mifanena amiko any ivelany any aveo ka manorisory...,tsy mampaninona!!!
bilakarenjy :
30/01/2007, at 08:48 [ Valio ]
kitjo>Tena avy any aminareo any no niavian'io tantara kely io
kitjo :
30/01/2007, at 20:14 [ Valio ]
nataoko ity fa noforoninao manko....ay ve e!!!
Hitako ho toe-satin 'ireto kely maso ireto aloha io e...
Ny fotsy manko matetika no tia misehoseho sy manindry @ resa-be fa ny azy misoko mangina ka mivelatra eny an-tsena ny entana vao gaga ny fotsy ary zareo ndray no mividy aminy
bilakarenjy :
30/01/2007, at 22:43 [ Valio ]
raha ny fahafantarako ny toe-tsain'ireo kely maso ireo dia tsy be teny fa mahavita zavatra goavana be .Mila arahina akaiky ny zavatra ataony dia fantatrao ny ao an-tsainy , sa tsy izany ry kitjo .
Mba eritreritra fotsiny ny ahy izany fa efa niara-niasa t@ dry zareo ireo za ,fa tena miasa mihitsy ny cocoko manaraka azy .
kitjo :
02/02/2007, at 17:34 [ Valio ]
hahaha..
marina mhitsy zany fa izy mody mangina sy mody mitazatazana ireny manko tena mandinika lalina ary efa miketrika be ny ao an-tsainy ao...
ny mahatsara andry zareo koa dia mifanina samy te ho tsara fa tsy mifanindry na mifampigafy mihitsy...
izay koa angaha fa ry zareo dia olona mailo lava @ izay ataony!! tsy dia mahatoky olon-kafa lotra ry zareo!
Tokinao :
10/02/2007, at 12:41 [ Valio ]
Androany ity lahatsoratra tsara ity vao hitako. Izaho koa, @ fandinihako ireo sinoa vitsivitsy efa hitako, dia mahatsikaritra io toetra mazoto miasa sy mahay mietry ananan'ny sinoa io. Tena tsara alain-tahaka tokoa fa dia misaotra anao mizara e :)