26.01.07
TENY INDRAIM-BAVA FOTSINY DIA ............
Efa manomboka mody ny masoandro dia mandefa ny tarany farany amin'ity tanana kely milamina sy tony tanteraka izay ahitana trano tokony ho 13 tafo eo ho eo .
Samy any an-tokatranony avy ny mpianakavy manao izay handaniany ny alina hiandrasana ny sakafo ho masaka .
Tamin'izay indrindra no indro nisy aloka iray nipoitra avy ery am-pidirana ny tanana .Vahiny avy lavitra izy izany ,mitaingina soavaly efa reraky ny lalana ka mamindra mora dia mora manantona ny tanana.
Mitady mpampiantrano ity vahiny tratra hariva an-tanin'olona fa mijery izay antra azy na misy manarangarana eny ho eny hitarainana .
Vao niroso kelikely anefa ilay vahiny dia nirohotra ireto alika tao an-tanana sady niovovoa no nanenjika azy .Nikoropaka sy nitrifana ity soavaly ,nefa niezaka ihany ilay mpitaingina nampitony ity soavaliny .Vao maika nirifatra tsy tana anefa ilay soavaly ,ka hany herin'ilay mpitaingina dia niantsoantso hoe : "vonjeo fa romotra ireto alika e! ,vonjeo e!" ,sady lasa nirifatra hatrany ilay soavaly no henjehin'ireto alika mivovoa.
Raha nahare izany ny iray tanana dia nivoaka ary samy nitondra izay fitaovana azo hiadiana sy hiarovana hanafaizana ireto alika mivovoa .Nanohy ny lalany nivoaka ny tanana anefa ilay soavaly ary tsy nijanona mihintsy ,fa ireto alika kosa no niharan'ny fahatezeran'ny olona tao an-tanana .
Vokany anefa dia :
Teny indraim-bava fotsiny dia nahavotra ilay vahiny sy ny soavaliny tamin'ireto alika .
Teny indraim-bava fotsiny dia namoizana ny ain'ireto alika tao an-tanana .
Teny indraim-bava fotsiny dia nampirongatra ny hadalan'ny mponina ihany koa ary mbola teny indraim-bava fotsiny no nandaozan'ilay vahiny ny tanana .
Noho izany dia :
Fehezo ny teninao hitondra fitiavana ho an'ny rehetra ,ary mbola diniho aloha vao lazao,fa sangy mahery anie ny teny aloakan'ny vavanao e!.






soanja :
27/01/2007, at 06:22 [ Valio ]
Humm! Tena mahavariana tokoa ry Bila. Tohizo fa miandry sahady ny tohiny ny aty. :)
bilakarenjy :
28/01/2007, at 11:13 [ Valio ]
misaotra soanja a! ,ho avy ny tohiny ka
kitjo :
29/01/2007, at 11:49 [ Valio ]
nndriii...
mahatalanjona....
miandry zahay oo..sa mbola mampirevy 205? hihiihi
fali :
29/01/2007, at 12:01 [ Valio ]
hafa kely indray iny an !
miandry ny manaraka indray izany o
bilakarenjy :
29/01/2007, at 20:09 [ Valio ]
sady mampirevy 205 no mampirevy blaogy
kitjo :
30/01/2007, at 03:50 [ Valio ]
hono wa....inspiration eo no ho eo vao foronina ve ireo sa zavatra efa tahiry dia nosoratana fts?
mahatalanjona ilay izy!
bilakarenjy :
30/01/2007, at 17:05 [ Valio ]
kitjo>tao anaty tahiry io no nasiana fanovana kely satria efa niova be ny zava-misy ankehitriny sy ny niseho t@ izany fotoan'andro izany .Tsy haiko ilay nanoratra azy io , fa angano tany angletera tany izy io ,t@ taona 1953 tany ho any angamba .Anisan'ny mahafinaritra ahy ny fomba fanoratr'ilay olona io a!
kitjo :
30/01/2007, at 20:11 [ Valio ]
aahhh
azoko amin' izay!
Alefaso ndray ary ny manaraka e...
vitsy no mahatafavoaka ohatra an'izao raha toa ka hoe teny adika
bilakarenjy :
30/01/2007, at 22:52 [ Valio ]
kitjo>misaotra amin'ny fankasitrahana ,fa na dia izany aza dia tena efa dokafanao be loatra indray .Misaotra fanindroany indray e!.
Mpampita hafatra anie za ,fa tsy ilay mbola namorina akory e! ,mbola ho avy ilay noforoniko ka .
Aloe aloha hanao tours @ 205 kely dia miditra eto indray .
kitjo :
02/02/2007, at 17:27 [ Valio ]
Ny marina no lazaiko an!