17.04.08
Posted in
SANGY MAHERY
| 10:11
Inona no eritreritra tena misongadina ao an-tsainareo rehefa tonga ny andro sy fotoana nahaterahanareo ?.
Na koa hoe : milaza inona amin'ny fiainanareo io andro sy fotoana nahaterahana io ?.

Ny antony nametrahako ireo fanontaniana ireo mantsy dia satria : isan-taona no itsingerenan'ny andro sy fotoana nahaterahana ,ary tsy hitovy foana ny eritreritra eo am-pandalovana azy satria misy tanjona sy vinavina ary faniriana ao na dia tsy ho tanteraka vetivety aza .
Isaky ny tonga io fotoana io dia ny ao an-tsaiko voalohany aloha dia hoe : miha-manantona mihamanatona ny fahanterana . Tsy manakivy ahy akory ny fieritreretako izany ,fa vao maika manome hery ahy hoe :tokony hisy zavatra apetrako ,tokony hamela lova sy fahatsiarovana tsara sy mamy ho an'ny rehetra ahafantaran'ireo ,fa nisy ilay olona .
Ataoko fa mitovy eritreritra amiko daholo ianareo amin'izay ,saingy mba tiako ho maharitra sy mitoetra foana izany fahatsiarovana ny andro nahaterahana izany eo amin'ny fiainan'olombelona tsirairay , fa mametraka tsiaro sy eritreritra ary nofy ho an'ny mahatsiaro azy .
Sangy mahery ny fiainana ,fa tsy mamela anao hijanona ,fa mandroso ihany ,ka noho izany dia ametraho marika ny toerana nodiavinao sy nolalovanao ahatsiarovana ,fa nisy olona nandalo teto .
bilakarenjy
Rohy maharitra
23.12.07
Posted in
SANGY MAHERY
| 16:18
BILAKARENJY
Ny hevitra fonosin'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io dia :
1*- Natao ho anarana izy aloha voalohany .
2*- Misy teny roa mitambatra ao dia BILA sy KARENJY .

Ireo teny roa ireo koa anefa mbola misy hevitra fonosiny , fa tsy araka ny eritreretinareo .
Hazo iray maniry no nakako ny tena hevitr'io solon'anarana hoe : BILAKARENJY io .
Tsy maintsy misy sampana daholo ny hazo rehetra ary io sampana io ilay hoe : BILA ,izay mamorona làlana hafa indray ary mitohy hatrany tsy misy fahatamperany .
Ilay mitohy hatrany indray no KARENJY .
Dia ireo foto-kevitra roa ireo no natambatra ary namorona ilay solon'anarana hoe : BILAKARENJY .
Zany hoe : mivily sy miàla ,na sampana ao anatin'ny fototra iray dia mamorona làlana sy fiainana ary endrika vaovao iray hafa ,dia mitohy mivoatra hatrany hatrany .
Na jereo koa ato amin'ity
http://bilakarenjy.multiply.com/ raha afaka manome hevitra ianareo .Dia misaotra mialoha re !
Rohy maharitra
28.07.07
Posted in
RAHA TOA KA ...
| 20:23
Tsy ho tononiko avy hatrany eto ny anaran'ity mpanjaka sy filohan'ny fanjakana iray ity, izay nalaza tamin'ny fotoana nitondrany ny taniny .Mahay mandahan-teny tokoa ity mpanjaka ity ary mahay mandresy lahatra sy manome hevitra ny vahoakany .Tsy nisy nahomby azy tamin'izany ,hoy ireo vahoakany .
Hoy ihany ireo vahoakany nanohy sy nilaza momba azy : " nitondra kotroka sy tselatra tao amin'ny lelany izy " .Fa ny tena nampiavaka azy sy ny nampandrosoiny ny fanjakany dia ny hamoram-panahiny . Tsy mba malaky tezitra izy ,ary misaintsaina lalina vao manao zavatra .
Indray andro izay dia nisy olona sahisahy sy tsy tia azy ,ka nanevateva azy .Hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nanozona sy naniratsira ary nanaratsy ny mpanjaka ity olona tsy tia azy ity.
Teo anatrehany no nataony sy nolazainy ny ozona sy faniratsiràna ary fanaratsiana ,nefa ny mpanjaka tsy namaly azy na dia kely aza , fa ny asany no nataony tsara .Teny am-podiana ho an-tranony ny mpanjaka dia mbola narahin'ilay olona nanevateva sy naniratsira ary nanaratsy sy nanozona foana ,sady niantsoantso no nanala baràka ny mpanjaka izy amin'izany .
Nony alina ny andro dia nasain'ny mpanjaka nody ilay olona tsy tia azy sy nanala baràka azy ary naniratsira sy nanaràtsy azy ary nandidy ny mpanompony ny mpanjaka mba hitondra fanilo hitsilo ny làlany ka hitondra azy hody any an-tranony .
Ho vitanao ve izany toetra vitsy mpanana nasehon'ity mpanjaka ity izany ???.Ho zakanao ve izany hoe : halàna baràka sy haratsiana izany ???.Ho tantin'ny eritreritrao ve ny hozonina sy tsiratsiraina eo anatrehan'ny olona izany ??.
Tsy mahagaga raha nanjàka sy nitondra ny fanjakana Anteniana nandritra ny efa-polo taona izy .Vitsy ny mpanjaka hanana toetra sy fomba ary fo toa an'i PERICLES .
Sangy mahery ny fiainana ka saino am-pitoniana ny tokony atao .
Rohy maharitra
28.07.07
Posted in
RAHA TOA KA ...
| 15:40
Asa raha fantatrao sy tadidinao ,fa nisy tendrombohitra roa ambinin'ny folo nanana ny hasiny sy ny lazany ary ny voninahiny teo amin'ny malagasy.
Indro atolotro anao eto ny anaran'ireo tendrombohitra roa ambinin'ny folo ireo :
- ALASORA
- AMBOHITRABIBY
- ANTANANARIVO
- AMBOHIDRATRIMO
- AMBOHIMANGA
- ILAFY
- NAMEHANA
- AMBOHITRAINA
- AMPANDRANA
- IMERIKANJAKA
- ANTSAHADINTA
HIARANANDRIANA .

Alaivo sary an-tsaina ny endrik'ireo tendrombohitra roa ambinin'ny folo ireo tamin'izany fotoan'andro izany .
Nalaina tao @ Boky Gazety "Ny Sakaizan'ny Tanora" laharana faha-01094 / Volana Febroary /Taona 1981 .
Rohy maharitra
04.03.07
Posted in
Ankapobeny
| 11:05
Rahoviana no hangina ny tomany eto an-tany
Ary koa ny lolom-po ,setrasetra tsisy fetra
Olon'ory ,tsy matory ,maminany 'zay hombàny
Betsaka no reraka ,mipararetra sy mitsetra
Eto an-tany fandalovana no misy an'izany
Lafin-javatra toa tsy nahy dia manjary mampitroatra
Izao anefa no lazaiko ,ka tohizo hatrany hatrany
Saina matotra no ilaina sy fanahy tsara voatra
Ovay malaky ny endrikao ,mba hitondra fitsikiana ,fa
Na dia antitra aza ianao ,ny kalokalo aza ariana .
RAOBELISON Andriamampionona Armand
+261 32 04 266 81 - +261 33 14 912 98
Rohy maharitra